Alasora : Efa nivoaka ny lisitra faharoa an’ireo mpianatra tafiditra « classe de seconde »
Tao aorian’ny fivalian’ny valina baccalauréat dia nivaly ihany koa ny andian’ny faharoa amin’ireo lisitry ny mpianatra tafiditra soa aman-tsara ao ami’ny « classe de seconde ».
Efa nivaly moa ny andiany voalohany tamin’izany. Maro ireo mpianatra tafiditra ka afaka misitraka ny fampianarana eny anivon’ny ambaratonga fahatelo « lycée » an’ny fanjakana izany. Ireo valinm-panadinana ireo moa dia azo jerena eny amin’ny Lycée TASC Alasora nanomboka omaly.
Miharaba hatrany ireo afaka, ary mankahery ny tsy afaka.
Famenontsoa Rajerison
