SocialTsidika

Alasora : Noesorina ireo jirojiro kely mamory olona ao amin’ny Kaominina

Tafiditra ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana isika eto Madagasikara amin’izao. Noesorina ireo ravaka kely mamory olona ao Alasora. Izany dia ho fisorohana hatrany ny fitangoronana be loatra, izay miteraka ny fiparitahan’ny aretina coronvirus.

« Tena fanapahan-kevitra tsara mihitsy izao nataon’ny kaominina izao. Mahay miaro ny aim-bahoaka tokoa izy ireo. Miezaka manafoana ireo fihetsika mety hampitangoron’olona » hoy i Herilaza, mponina ao Alasora. « Nanapa-kevitra izahay mpiadidy ny tanàna, fa atsahatra ny haingo nandravaka ny tanàna eto amin’ny kaominina » hoy ny Ben’ny tanàna any Alasora, Randriantsoa Jimmy. « Ny mamory olona vitsivitsy mihoatra ny eny Antaninarenina aza ity nofoanana. Sao dia tokony handraisana fepetra ny eny Antaninarenina ? » hoy i Jackot, mpahay fiarahamonina.

Sarobidy tokoa ny ain’olona. Mifampiankina ny vahoaka sy ny mpitondra. Ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire