SocialTsidika

Ambohimangakely : Nisitraka kilalao sy vatomamy ny mpianatra rehetra tao amin’ny EPP Ambohimahitsy

Tontosa ny 24 sy 25 desambra lasa teo ny fizarana hafaliana tao main’ny EPP Ambohimahitsy. Ny fikambanana Guide no nitarika ny fizarana, izay notohanan’ny BTC Ambohimangakely sy ny fikambanana maro samihafa.

« Nahafinaritra ny fizarana ary mankasitraka ireo nanohana. Mila antsika ny fanabeazana eto Madagasikara » hoy i Christian Razanamihoatra, mpitarika ny fikambanana Guide.  « Ankizy aman-jatony no nisitraka ny kilalao sy ny vatomamy. Nisy fizarana maro samihafa ihany koa nandritra ny hetsika toy ny fanabeazana ny nakizy hitia ny tontolo iainana » hoy i Diamondra, solontenan’ny BTC Ambohimangakely.

« Mankasitraka anareo tsy nanadino anay. EPP marobe manerana ny nosy fa nosafidinareo manokana ny teto aminay » hoy ny mpampianatra ao amin’ny EPP Ambohimahitsy. Rehefa vanim-potoana tahaka izao dia tsaroana manokana tokoa ireo ankizy.

Tsara ny mizara hafaliana hatrany amin’izy ireo mba hampazoto azy amin’ny fianarany. Mila antsika tanora, ny zandrintsika, indrindra ny eny amin’ny ambaratonga fototra. Tsara ny manatevin-daharana ireo fikambanana manabe sy manampy ny ankizy ireny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire