ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Handalo ao an-toerana ny Jiramobile

Handalo ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy ny Jiramobile, manomboka anio alatsinainy. Haharitra dimy andro ny fandalovany ao an-toerana ary hitety ireo fokontany maro ao an-toerana ity fiara mitety vohitra ity, mandritra izany, araka ny voalaza.

« Ny andron’ny 20 sy 21 Martsa ity dia ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba no handalovan’ny jiramobile, ny andron’ny 22 martsa kosa no ao amin’ny fokontany Ilafy, ny 23 martsa ao amin’ny fokontany Belanitra ary mamarana azy ny fokontany Ankadikely ny andron’ny 24 martsa » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Maro ireo tolotra hita mandritra ny fandalovan’ity fiara mitety vohitra ity. Mandritra izany, mandray ny fangatahana fampidirana jiro ireo tomponandraikitra, mivarotra fahana, mandray ireo fitarainana maro samihafa avy amin’ny mpanjifa, manaraka ireo anton-taratasy ihany koa raha manana ny numéro de référence avy eny amin’ny masohivoho sy ny maro hafa » hoy ny avy amin’ny jirama.

Manomboka amin’ny 8ora maraina mandrapaharivan’ny andro avokoa moa ireo fotoana hifanomezana amin’ny fiara mitety vohitra ity. Marihina moa fa tsy mandray na mitahiry lelavola ny Jiramobile saingy afaka aloha amin’ny alalan’ny « mobile money » na « chèque » na « TPE visa na BOA » raha misy ny fandoavana faktiora atao eny an-toerana.

Manitra R.

Laisser un commentaire