Etats-Unis: Mikasa ny hanorina tanàna ho an’ny mpiasany i Elon Musk
Nahazo alalana nikirakira taratasin-tany samihafa ny Wall Street Journal izay nirakitra ny fanirian’ i Elon Musk hangana tanàna vaovao ho an’ny mpiasany. Raha tsiahivina dia isan’ny olona manan-karena indrindra eran-tany io lehilahy io. Ampahany amin’ny lohasaha sy tanim-boly any amin’ny dimampolo kilometatra miala an’i Austin, renivohitr’i Texas, ao amin’ny faritr’i Bastrop no kasainy hanorenana io tanàna io izay ho antsoina hoe “Snailbrook”.
Araka ny lalàna ao Texas dia tokony hisy mponina 201 isa eo ny tanàna iray mba ahafahana manao fangatahana sy ahazoan’izany fankatoavana avy amin’ny mpitsara. Marihana nefa fa efa an’arivony ny mpiasan’ity mpanefoefo ity izay mitsinjara ao amin’ny Tesla, Space X ary Twitter. Raha ny fanamafisan’ny kosa dia manodidina ny 1 400 hekitara izany hoe avo efatra heny noho ny Central Park ao New York ny velaran-tany hanorenana io tanàna io.
