PolitiqueTatitra

Fifandonana teo amin’ny sisin-tanin’i Armenia sy Azerbaijan, miaramila Armeniana efatra no maty

Nanao fanambarana ny Armenianina, ny talata lasa teo, manoloana ny fahafatesan’ireo miaramilany miisa efatra, izay matin’ny tifitra nataon’ireo Azerbaijani, tao amin’ny sisin-tanin’ny firenena Caucase roa tonta.  Ity no tranga nahafaty olona voalohany hatramin’ny nanombohan’ny fifampiresahana teo amin’ny Erevan sy Bakou, izay natao mba hanamafisana ny fifandraisana eo amin’ireo repoblika Sovietika roa teo aloha ireto. Tsy mbola ravina ny disadisa eo amin’ireto firenena roa ireto, vokatr’izany, misy ny fifampiandrasana ankedritohana eo amin’ny sisin-tanin’ny andaniny sy ny ankilany avy, ka nietraka izao fahafatesana miaramila izao.

Laisser un commentaire