Alasora : Mpanjaka vavy nanjaka tao i Rafohy
Rangita, izay fantatra ihany koa amin’ny anarana hoe Rangitamanjakatrimovavy, dia mpanjakavavy vazimba izay nanjaka tao Merimanjaka (na Imerimanjaka) ao afovoan-tany eto Madagasikara taorian-drainy, dia ny mpanjaka Andriampandramanenitra (na Rafandramanenitra). Nitondra teo anelanelan’ny taona 1520 sy 1530 izy. Tamin’ny nahafatesany dia nandimby azy ny zanany vavy (na ny rahavaviny natsangany) Rafohy. I Rafohy dia mpajakavavy vazimba nanjaka hatrany Alasora ao afovoan-tany eto Madagasikara mandra-pahafatiny. Teo anelanelan’ny taona 1530 sy 1540 izany. Nandimby ny mpanjakavavy Rangita izy.
Ny renin’Andriamanelo (na Rafohy io na Rangita) dia nanambady in-droa: ny fanambadiany voalohany nananany zanany lahy, fa ny faharoa tamin’ny lehilahy merina atao hoe Manelobe, dia niterahany zazavavy sy ny zananilahy izay notendreny handimby azy amin’ny fahafatesany. Rehefa voatendry ny mpandova, izay tsy iza fa Andriamanelo, dia nanjary mpanjaka voalohan’Imerina ity farany.
Araka ny fanaon’ny Vazimba dia alentika anaty rano manan-kasina ny vatan’ny maty, indraindray rehefa avy napetraka anaty vatam-paty namboarina tamin’ny hazo noloahina. Voalaza fa tamin’ny nahafatesan-dRafohy (toy izany koa ny an-dRangita) dia nalentika tanaty honahona ny vatam-paty nisarin-dakana nisy azy ireo.
