Brésil : Ahiana ny hisian’ny valan’aretina vokatry ny kaikitry ny moka « dengue »
Mandodona an’i Brésil amin’izao fotoana ny fisian’ny valan’aretina vokatry ny kaikitry ny moka lehibe antsoina hoe « dengue ». Mora mifindra ity aretina tazo entin’ity moka ity, raha ny voalazan’ireo tomponandraikitry ny fahasalamana any an-toerana. Ao amin’ny renivohitra Brasilia, efa mahatratra 1.700 ireo trangan’aretina tazo any an-toerana, amin’ny mponina 100.000 isa, tao anatin’ny herinandro izao. Manao ny ezaka rehetra ireo mpitsabo any an-toerana manoloana izany satria anisan’ny aretina mamono olona betsaka indrindra maneran-tany ny aretin’ny tazomoka ity.
