Pérou : Nahitana « momie » tao anatin’ny kitapon’ny mpanatitra entana iray
Nandritra ny fisavana nataon’ny polisy tao amin’ny vala-javaboahary Puno tao Pérou dia nahita « momie » manodidina ny 600 hatramin’ny 800 taona tao anaty kitapon’ny mpanatitra entana iray antsoina hoe Julio Cesar Bermejo izy ireo.
Manoloana ny tranga dia nosamborina avy hatrany io lehilahy io. Nandritra ny fanadihadiana kosa dia nilaza izy fa mpanao gazety tao an-toerana antsoina hoe « Juanita » io « momie » tao anaty entany io ary notazonina efa ho telopolo taona tao an-trano-drazany. Nanazava kosa i Julio Cesar Bermejo fa ny rainy no nahazo io « momie » io avy tamin’ny polisy iray nanany vola.
Nilaza kosa ny minisitry ny kolontsaina tao Pérou fa tsy « Juanita » fa « Juan » io « momie » io. Lehilahy manodidina ny 45 taona mantsy ity farany raha ny fizahana natao ary avy tany amin’ny ilany atsinanan’i Puno tany ny fiaviany. Efa noraisin’ny tompon’andraikitra an-tanana moa ilay « momie » izay ho raiketiny ho vakoka.
