Fiompiana trondro: Anisan’ny vahaolana ho amin’ny tsy fanjarin-tsakafo sy toekarena.
Anisan’ny ady hiadian’ny firenena rehetra izay mivondrona ao anatin’ny SADC ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika sy ny fampiakarana ny toe-karena. Anisan’ny vahaolana hatolotry ny SADC ny mahakasika ny sehatry ny fiompiana trondro izay hahafahana manatratra ireo tanjona roa tonta ireo. Araka izany dia misy ny tetik’asa Profish Blue izay kasaina hotanterahina eto Madagasikara ao anatin’izany.
“Nitsidika teto Madagasikara ny avy ao amin’ny Biraon’ny SADC hahafahany mahita ny fahazotoana sy ny fahalianan’ny Madagasikara amin’izany tetik’asa izany. Nivoitra nandritra ny fitsidihana izay natao teny amin’ny toeram-piompiana trondro eny Ambatolampy Tsimahafotsy fa azo tanterahiona ny tetik’asa. Nisy ihany koa ny fivoriana izay natao hampahafantarana sy handrindrana ireo asa ho atao rehetra”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny toe-karena manga.
“Ankoatra ny fanangana toeram-piompiana anefa dia efa misy ihany koa ny fampiofanana hatolotra isam-paritra hahafahana mampiroborobo ity sehatra ity. Amin’ny maha Nosy an’ny Madagasikara izay voahodidina ranomasina dia manna-karena ranomamyb ihany kao fanararaotra izao fampiofanana izao raha liana amin’izany fiompiana izany ny tsirairay”, hoy hatrany ny fanazavana.
Raha tsiahivina moa ny mahakasika ity tetik’asa ity dia hahafahana manatsara ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny alalan’ny famoronana asa, fanamorana ny varotra anatiny ary hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo vondrona mpiompy amin’ny loza mety hitranga amin’ny trondro noho ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Miora Raharisolo
