République Tchèque : labozia 30 000 narehitra ho fahatsiarovana ireo lavon’ny Covid-19 tao Prague
Nandrehitra labozia miisa 30 000 tao amin’ny Château de Prague ny harivan’ny alatsinainy 10 may teo ny mponina ao amin’ny République Tchèque mba ho fahatsiarovana ieo lavon’ny covid-19 tao an-toerana. Ny filoha Milos Zeman no nandrehitra ny labozia voalohany tao aorian’ny fanomezana iray minitra fahanginana ho azy ireo. Tao anatin’ny fandraisam-pitenenana fohy nataony no nisaorany ireo mpiandraikitra ny resaka fahsalamana sy ireo miady mafy hanohitra ity valan’aretina ity. Ny faran’ny tontolo andro no nanaovany io fandraisam-pitenena io, tontolo andro izay nahitana fa efa miezaka miara-miaina amin’ity valan’aretina ity ireo vahoaka ary manaiky ireo fepetra rehetra napetraka. Anisan’ny tena voakasika tamin’ity valan’aretina ityi République Tchèque sy ireo mponina miisa 10,7 tapitrisa ao aminy, manodidina ny 29 711 ireo olona efa lavon’ity coronavirus ity tao amin’izy ireo.
