Comores : Manome tolotra ara-pahasalamana mora kokoa ny toeram-pitsaboana ao Mitsudje
Any amin’ny 12 km atsimon’ny renivohitr’i Moroni no misy an’i Mitsudje. Ahitana toeram-pitsaboana CDS (Centre de santé de district) ao an-toerana izay manome tolotra ara-pahasalamana mora kanefa tsara kalitao.
Nanomboka ny volana jona 2022 dia 50 kmf monja ny fizahana ao an-toerana ary maimaimpoana kosa izany ho an’ny fizahana roa voalohany ho an’ny vehivavy mitondra vohoka sy ny « échographies obstétricales » sasantsasany. Amin’ireo toeram-pitsaboana hafa nefa dia mitentina 1750 hatramin’ny 2000 kmf izany.
Maro kosa ny karazana fitsaboana sy tolotra azo sitrahana ao amin’io toerana io, toy ny fitsaboana ankapobeny, fiterahana, vaksiny, fandidiana, « radiographie, échographie obstétricale, stomatologie »…
