Kolontsaina : Namela ny sehatra mandrakizay i Tax Bout avy ao amin’ny Rapadango
Dépêche 12 janvier, 14h, Tarika mpiangaly ny gadona HIP HOP ny tarika Rapadango. Nindaosin’ny fahafatesana i Rafanomezantso Iarisolo na i Tax Bout avy ao amin’ny tarika. Teo amin’ny faha 42 taonany izy izao maty izao. Aretina no nahatonga izao fahafatesany izao raha araka ny nambaran’ireo namany. Maro mpankafy izy noho ny fahaizany teknika amin’ny sehatry ny RAP ka maro ireo nalahelo noho izany. Nanana ny maha izy azy teo amin’ny RAP ity mpanakanto ity ary nitondra fanavaozana tamin’izany
