ActualitésTsidika

Startup Week-end : Efa misokatra ny fisoratana anarana.

Miompana amin’ny tonotolon’ny fampianarana sy ny fanabeazana ny « startup Wekk-end » amin’ity taona ity izay karakarain’ny Techstars ka hiarahany miasa amin’ny Institut International des Sciences Humaines na ny IISS izany. Efa misokatra ny fisoratana anarana ho amin’izany izay hanentanana ny tanora rehetra tsy an-kanavaka. Ny 20 janoary ka hatramin’ny 23 janoary izao no hanatanterahana izany hetsika izany.

« 54ora fotsiny no hatolotra ireo tanora ireo hahafahnay manangana zacvatra tsara hoa n’ny Madagasikara. Ao anatin’izany izy ireo dia hiara-hiasa amin’ny mnama-pahaizana sy ny matihanina maro hahafahany manangana zavatra misy valeur lehibe », hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.

« Efa azo atao ny misoratra anarana amin’ny alalan’ny rohy izay hita aoa amin’ny pejy Facebook (https://lnkd.in/drZ9U3sV ). Ny saram-pisoratana anarana kosa dia afaka hatao amin’ny alalan’ny Mvola amin’ny 034 87 244 55 izay misokatra ho an’ny rehetra na ireo vao manomboka handraharaha na ireo izay efa manana traikefa amin’izany tontolon’ny fampianarana izany », hoy i Hasina Razafintsalama, mpikarakara.

Maro ireo loka tsy hampoizina amin’ny fiafaran’ny hetsika. Ny tena sarobify indrindra amin’ny fanomezana mety ho azo dia ny fahalalana sy ny torohevitra maro be avy amin’ireo matihanina. Izany dia afaka entina amin’ny tetik’asa izay tiana hatsangana any aoriana any.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire