Fanatanjahantena : Tompon-dakan’ny Tennis Afrique Australe i Mirija sy i Mitia
Dépêche 12 janvier, 13h, Tsara ny vokatra ny lalao Tennis izay natao tao Harare satria dia nandrombaka ny amboara tamin’ny lalao ho an’olon-tokana i Mirija Andriantefihasina sy i Mitia Voavy. Maro tamin’ireo ekipa Malagasy ireo no tafiakatra tamin’ny lalao manasa-dalana saingy ireto kosa no nandrombaka ny amboara. Ilaina ny fanatanjahan-tena ary rehefa tena hilofosana izany dia hahafahana mandray anjara amin’ny fiainam-pirenena. Samy manana ny talentany ny olona tsirairay ka ilaina ny mitrandraka izany ho tombontsoany sy ny manodidina azy.
