Fokontany Androvakely : Olona 81 natao vaksiny fanefitry ny covid-19
04 Aprily, 09h30. Manamakivaky kilometatra maromaro ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana tao amin’ny ministeran’ny fahasalamana nampisitraka fanovam-baksiny ny mponina tao amin’ny Fokontany Androvakely. Olona 81 no vita vaksiny fanefitry ny covid-19 tamin’izany. Nanatanteraka fanentanana momba ireo fepetra tokony atao hitandroana ny fahasalamana ihany koa izy ireo nandritra izany. Tsiahivina fa mbola tsy foana ity aretina ity.
