Dépêches

Tsy fanarahan-dalàna: Mpamily sy mpanampy ny mpamily nosamborin’ny polisy

07 Janoary, 09h00. Mpamily sy mpanampy ny mpamily fiara fitateram-bahoaka 164 no nosamborin’ny polisy noho ny tsy fanarahan-dalàna sy ny famporisihina mpandeha tsy hanara-dalàna. Nanala olona tsy tao anaty toeram-piantsonana izy ireo ary nandray olona tamin’ny toerana tsy voatokana ho an’izany ihany koa. Mbola nameno seza 4 -4 ihany koa izy ireo na dia eo aza ireo fepetra ara-pahasalamana napetraka hiadiana amin’ny covid-19 .

Laisser un commentaire