Ambohimangakely : Ho henjana ny sazy ho an’izay tratra manary fako
09 Aogositra, 11h15, Tohin’ny hetsika fanadiovana ny tatatra teny Ambohimangakely, ho hentitra manomboka izao ny sazy ho an’ireo izay tratra manary fako na minia manipy ny maloto, manentsina ny tatatra, eny an-toerana. Iharan’ny dinam-pokonolona avy hatrany miampy ny fanadiovana ireo olona tratra manao izany.
