Rocade Soamanandrariny sy Ambohimahitsy: Manjaka ny halatra jiro sy vy
Miisa 12 amin’ireo jiro 50 napetraka teny amoron’ny lalana rocade manakaiky ny fokontany Soamanandrariny no very tao anatin’ny telo volana. Mangataka ny hametrahana mpitandro filaminana raikitra eny ireo mponina.
« Jiro efa ho 12 no nisy naka tety amin’ny lalana tety. Efa misy ny andrimasom-pokonolona miaro ny tanàna saingy tsy mahasehaka izany. Ny hangatahanay ny hisian’ny tobina mpitandro filaminana eto mihitsy hiaro ny vahoaka sy ny fananana iombonana » hoy ny filohan’ny fokontany Soamanandrariny, Andrianjafindralahatra Léon. « Ho an’ny rocade manamorona ny fokontany Ambohimahitsy kosa dia ny fahaverezan’ny vy manodidina ny lalana no misy. Tsara raha raisina haingana ny fepetra mba hahafahana miaro ny fananantsika » hoy indray ny filohan’ny fokontany Ambohimahitsy, Rakotondrasoa Jean Yves.
Isan’ny mbola sakana eto amintsika ny tsy fahaizana manaja ny fananana iombonana. Izy ireny anefa no tena miantoka ny fampandrosoana ny rehetra. Matoa mantsy nasiana dia tena nilaina. Tsara raha samy saro-piaro amin’ny fananana iombonana isika rehetra.
Nicole Rafalimananjara
