Mitondra fampandrosoana ny fahatsaran’ny lalana.
Efa nanomboka ny taona 2017 ny tetik’asa fanamboaran-dalana niaraha-niasa tamin’ny sinoa tamin’iny faritra Antanetibe Mahazaza iny. Tetik’asa izay antsoina hoe « lalan’ny atody ». Mpamatsy atody betsaka indrindra eto Antananarivo iny faritra iny. Nanana olana teo amin’ny fitaterana anefa izy ireo noho ny faharatsian’ny lalana. Vita sonia tamin’ny fitondrana “Hery vaovaon’i Madagasikara” na ny HVM ity tetik’asa fanamboaran’dalana ity ka mitohy mandrak’izao. Lalana mirefy 20 Km miala an’i Mahitsy no voakasiky ny fanamboarana. Nidina teny an-toerana, nanao fitsidihana ifotony ny Governoran’ny faritra Analamanga sy ireo mpiara-miasa aminy, ny alarobia 24 febroary. Nojerena nandritra izany ny fizotran’ny asa sy ny olana samihafa naterak’ity fanamboaran-dalana ity. Tafiditra ao anatin’izany ny trano narodana sy ny tanimbary nototofana izay tena nampitaraina ny mponina tany an-toerana. Efa nizaka olana maro vokatr’izany izy ireo ary nisy fiantraikany tamin’ny voka-bary izany. Miakatra hatrany anefa ny vidim-piainana amin’izao fotoana. Miantso ny mpiara-miombon’antoka amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza arak’izany mba hitondra fampandrosoana ho azy ireo ihany koa ity fahatsaran’ny lalana ity. Maro ireo mpitsidika nanomboka teo. Ny kaominina tsirairay mitambatra no manome ny firenena ka rehefa voavaha ny olan’ny kaominina tsirairay mba hahafahany mivelona tsara sy ara-dalàna dia handroso ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
