ActualitésTsidika

Ny lisitr’ireo mpilalao handrafitra ny Barea

Ny 2 jona no fotoana nomen’ny mpanazatra Eric Rabesandratana hanomezana ny lisitr’ireo mpilalao handrafitra ny Barea. Tamin’ny alalan’ny fivoriana am-pitain-davitra no namoahan’ity mpanazatra ity ny lisitr’ireo mpilalao 35 handrafitra ny Barea sy ny ho avy hanao ny fampivondronana ny 5 hatramin’ny 15 jona 2021. Ary tsikaritra tamin’izany fa tsy tao anaty lisitra i Romain Metanire sy Lalaina Nomenjanahary. Hita ao kosa toy ny mpiandry tsato-kazo i Mathyas Randriamamy sy Melvin Andrien ary i Nina Razakanirina. Mitana ny vodilaharana kosa i Jeremy Morel, Jérôme Mobris, Sylvio Ouassiero, Pascal Razakanantenaina, Rajo Razafindrabe, Théodin Ramanjary, Andry Ony Rajaonison, Toky  Randriatsiferana, ary i Solonjatovo Rakotoarisoa. Ao afovoan’ny kianja kosa no ahiatna ny toeran’i Anicet Andrianantenaina, Marco Ilaimaharitra, Rayan Raveloson, Ibrahim Amada, Zotsara Randriambololona, Dimitri Caloin, Dax Andriamirado, Dafé Ramanamahefa ary i Bancé Rakotonirina. Eo amin’ny lohalaharana kosa no misy an’i Njiva Rakotoharimalala, Carolus Charles, Alexandre Ramalingom, Hakim Abdallah, Paulin Voavy, Loïc Lapoussin, William Gros, Baggio Rakotomenjanahary, Fabrice Rakotondraibe, Lalaina Manampisoa, Tsito Razafindrasata, Aristide Vévé Ranaivo Harison, Onjaniaina Patrick Hasinirina ary i El Hadary Raheriniaina. Nampatsiahivin’i Eric Rabesandratana ny fihaonana amin’ity volana Jona ity. Nambarany ihany koa anefa fa efa niantso an’i Romain Métanire ihany izy saingy misy olana ny Visa-ny any Etats-Unis ka izay no antony tsy nahitana azy tao amin’ny lisitra. Tsy hita ihany koa i Thomas Fontaine no izy mbola mitsabo tena ankehitriny vokatry ny ratra nahazo azy. Ho tanterahana eto Madagasikara ny fiofanana ny 7 hatramin’ny 18 jona izao ka lalao eo amin’ny samy izy ireo aloha no hanombohana azy na hiantso ny mpilalao hafa eto an-toerana hanao lalao ara-piralahiana. Betsaka no manontany ny antony tsy nahatao anaty lisitra an’i Bolida.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire