Fambolena : Natomboka ny fizarana ketsam-bary ho an’ireo tantsaha tra-boina noho ny rivo-doza
Natomboka tao Marofarihy Distrika Manakara ny fizarana ireo ketsam-bary avy amin’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana. Miara-miasa amin’ny tetikasa Defis, Papriz, Dapv izy ireo amin’izany.
« Misy ny fanampiana ireo tantsaha izay tra-boina noho fandalovan’ny rivo-doza Batsirai sy Emnati ato amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana sy Fitovinany. Efa natomboka ny fizarana ketsam-bary ho an’ireo tantsaha tra-boina » hoy ny avy ao amin’ny Papriz. « Isan’ny paik’ady napetraky ny fitondram-panjakana hanampiana ireo tantsaha mpamboly vary ity tetik’asa ity. Izany no atao mba ahafahan’izy ireo mamokatra amin’ity taom-pambolena ity na teo aza ny rivo-doza sy ny fahapotehina nisy tamin’ny fambolen’izy ireo » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
Hitohy amin’ireo faritra rehetra misy fambolem-bary izay nitondra takaitra noho ny rivo-doza ity tetikasa ity. Antenaina mba hamaha ny olan’ireo tantsaha tokoa.
Nicole Rafalimananjara
