Ambohimangakely : Mila fijerena ireo kamiao manamorona ny arabe
Mampitaraina ireo mponina, indrindra ny mpampiasa ny lalana, ny mpitondra fiara, mpitatitra sy ny mpitondra tongo-droa, ao amin’ny kaominina Ambohimangakely, ny fisian’ireo kamiao lehibe mijanona manamorona ny lalam-pirenena. Sady mibahana no manery ny lalana ireo kamiao, ary mety hitera-doza raha tsy misy ny fandraisana andraikitra momba izany araka ny voalaza.
“Mila esorina ary hanokanana toerana malalaka ireto kamiao ireo fa tena mibahana no mety hitera-doza ho an’ny mpampiasa lalana” hoy i Mamy, mpitondra tongo-droa.
“efa maro ireo lozam-pifamoizana nitranga, ny faharatsian’ny lalana ety sy ny fahateren’ny arabe ihany koa dia anisan’ny mahatonga ny loza ka mangataka ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina mba hanala ireo kamiao lehibe ireo” hoy i Rivo, mponina ao Ambohimangakely.
Miandry ny fijerena izany akaiky sy ny fandraisana fepetra avy amin’ny tomponandraikitra araka izany ny mponina.
Manitra R.
