Maevatanàna: Nisy ny hetsika tagnamaro tao amin’ny ivontoeran’ny famakiam-boky ny kolontsaina
Nanatanteraka tagnamaro, fanadiovana sy fikolokoloana ny ivontoeran’ny famakiam-boky ny kolontsaina (CLAC) ao Maevatanàna ireo solon-tenan’ny sampandraharaha sy fikambanan’ny mpianatra ao an-toerana. Tafiditra tao anatin’ny fanamarihana ny andron’ny olom-pirenena, ny sabotsy teo izany no fanombohan’ny taom-pianarana ihany koa.
