ConseilTsidika

Fomba fikarakarana volo natoraly

Ny volo dia anisan’ny manome endrika ny olona iray ary afaka atao izay endrika mety sy hitiavana azy ny tsirairay.

Teny mila fikarakarana anefa izy io satria mety tsy salama ihany koa izy. Misy ny fomba atao hitsaboana azy. Ny hahafantarana hoe tsy salama ny volo iray dia: mihintsana,tsy mety maniry na tsy mitombo mihitsy, vakivaky ny loham-bolo na koa mihamanify. Tsy maintsy mihintsana ny volo rehefa bangoina fa rehefa betsaka kosa anefa izany fihintsanana izany dia tsy salama izay ilay volo.

 Ny fomba fibangona

Mba tsy hampihintsana be ilay volo dia bangoina avy any ambany miakatra ambony izy, izany hoe ny ambany no alana rohitra voalohany ary miakatra miakatra avy eo.Tsy tsara ny mibango volo mbola mando. Tahaka izany ihany koa tsy tsara ny mamintina ny volo rehefa mbola tsy maina tsara. Ankoatra izay, rehefa manamaina ny volo, dia ny « Serviette en microfibre » na lamba hasy no ampiasaina.

Ireo akora afaka ampiasaina entina hikarakarana volo

Maro ireo akora izay hitantsika eny rehetra eny kanefa tsy fantatra hoe mety sy mifanaraka amin’ilay otrikaina ilain’ny volo ao anatiny. Ny ravin-goavy ohatra dia ahitana vitamine C izay miaro aminy fihintsanan’ny volo.

Ireto avy ny akora azo ampiasaina hanoloana « masque » izay tena natoraly ary tsy hatahorana hanimba volo rehefa ilay mba mipetraka ao antrano iny . Ahitana azy eny an-tsena sy rehetra eny; ny hakondro, ny papay,ny atody, ny voatavo andrahoina,ny ovy kikisana dia ilay ranony no ahosotra amin’ny hodidoha, ny atody ilay mavomavo ihany, ny vahona, ny tantely, ny zavoka, ny « Maizena » ihany koa dia tena mampalefaka volo.

Mitaky fikarakarana raha te hanana volo salama.

Sonia Randrianarijaona

Laisser un commentaire