ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Mila jerena sy hitondra fanamboarana ny lalana mankao amin’ny fokontany Morarano

Manao antso avo amin’ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina ireo mponina ao amin’ny fokontany Morarano, noho ny faharatsian’ny lalana ao an-toerana, amin’izao fotoana. Mahatsiaro ho tsy misy mpiahy, ary adino amin’ireo resaka asa fampandrosoana izy ireo, araka ny voalaza.

« Maro ireo fanairana efa nalefa tamin’ireo tomponandraikitra mahakasika ity lalana mankao an-tanàna sy ny lisea ity, fa hatramin’izao tsy mbola nisy ny fandraisana andraikitra na fepetra noraisina. Tsy tokony hiandry fahatapahan’ny lalana tanteraka na mitera-doza fa hitondra fanamboarana azy io » hoy i Dina, mponina ao Morarano.

« Tena mampatahotra ny mandeha amin’ity lalana ity, indrindra rehefa fotoanan’ny avy orana toa izao. Efa an-taonany maro izy io no nihotsaka, saingy hatreto tsy mbola nisy ny fanamboarana lehibe kanefa tandindon-doza ihany ny mandeha amin’ity lalana ity » hoy i Rinah, mpampianatra.

Ity lalana ity ihany moa no hifamezivezen’ny mponina ao an-toerana. Marihina, fa anisan’ny antony tena nampihotsaka ity lalana ity dia ny fitrandrahana tany nataon’ny orinasa sinoa tao an-toerana. Ankoatra ny lalana moa, dia mampitaraina ny mponina ihany koa ny resaka rano fisotro madio.

Laisser un commentaire