SocialTatitra

Johannesburg : Voasambotra ny lehilahy iray voalaza ho tomponantoka tamin’ny hai-trano niseho ny volana aogositra

Ny faran’ny volana aogositra 2023 no nitrangana hain-trano, izay nahafatesana olona 77 ka ankizy ny 12 tamin’izany tao Marshalltown, Johannesburg. Ny talata teo no voasambotra ny lehilahy iray, voalaza ho tomponantoka tamin’ny fisian’ny loza, araka ny nambaran’ireo mpitandro filaminana nanao fanadihadiana. Nosamborina avy hatrany ity lehilahy 29 taona ity rehefa niaiky teo anatrehan’ny mpanao famotorana momba ny raharaha fa nandray anjara tamin’ny fandorona ny trano ny tenany.

Laisser un commentaire