SocialTatitra

Pays-Bas : Nahoana no tsy mampiasa « rideau » ny mponina ?

Nahatsikaritra ireo olona nitsidika an’i Amsterdam fa fitaratra avokoa ny ankamaroan’ny varavarakelin’ireo mponina ao an-toerana ary tsy misy « rideau », na misy aza izany dia misokatra. Efa hatrany amin’ny taon-jato faha 16 io fomba io raha ny fanazavana ary avy amin’ny fomba protestanta « calvinisme » izay nivohy fa tsy manana hafenina ny tena olo-marina. Tsaraina ho manana zavatra tsy tiana ho hitan’ny manodidina noho izany ireo olona manidy « Rideau » ao an-toerana. Fahalalam-pomba ho an’ireo Néerlandais mihitsy ny mitsirika ny varavarakelin’ny mpiray vodirindrina aminy.

Laisser un commentaire