CultureTatitra

Australie : Hiezaka hanavotra ny karazam-biby « dragon sans oreilles » ahiana ho lany tamingana

Ny taona 2019 no nanao fikarohana ireo siantifika any Canberra ary nahavoarakitra santionany an-jatony tamin’ireo karazana androngo dia any anaty ala. Amin’izao fotoana anefa, tsy misy afa-tsy 11 sisa ireo karazany. Ity karazana androngo iray ity, ny « dragon des prairies sans oreilles » dia tsy fahita raha tsy any Australie. Miloko volon-tsôkôlà maivana ary misy sarisary fotsy lava manaraka ny lamosiny. Tsy ampy ny sofiny ary mirefy 15 santimetatra ny lehibe aminy. Ankoatra ity karazana androngo iray ity, dia misy karazany telo hafa ihany koa ahiana ho lany tamingana ao an-toerana, izay ahiana mafy indrindra. Tsy misy ny fiarovana azy ireo manokana, ka ahiana tsy hisy intsony izy ireo ao anatin’ny 20 taona manaraka. Manampy trotraka izany ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana. I Australie dia manana ireo karazam-biby tokana eto an-tany. Amin’ireo biby mandady, manana karazany 1130 izy, ary tsy hita raha tsy ao an-toerana ihany.

Laisser un commentaire