ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Mahaliana ny vehivavy ny fampiofanana « crochet-raphia »

Maro ireo vehivavy no tia sy liana amin’ny fanaovana ny « crochet-raphia » ao amin’ny kaominina Talata Volonondry. Porofon’izany, feno hatrany ny toerana mandritra ny fiofanana atolotr’ireo sampam-piofanana samihafa ary maro ireo tsy tafiditra ka mangataka ny andiany manaraka hatrany. 

« Maro be ireo maniry ny hanaraka fiofana amin’ity taranja iray ity ary tena mangataka ireo vehivavy ny hihitaran’ny fampiofanana. Ao anatin’izany, manao ny ezaka rehetra ny tomponandraikitra amin’ny fandaminana, indrindra eo amin’ny ara-potoana sy ny toerana satria noho izay antony izay dia tsy maharaka intsony ka misy hatreny an-tokotany no mandray fiofanana » hoy ny  tomponandraikitra iray.

« Ahaizana zavatra maro ny crochet. Ary afaka itadiavam-bola soa aman-tsara, atao vadin’asa ho anay renim-pianakaviana. Ny fotoana toy izao no fananararaotra ho anay satria tsy betsaka ny manome fiofanana amin’ny sehatry ny asa tanana tahaka izao » hoy i Nadia, renim-pianakaviana.

Anisan’ny mampiroborobo ny sehatry ny asa tanana sy ny fandraharahana ny fampiofanana ny vehivavy tahaka izao. Ankoatra izay ihany koa dia manampy amin’ny fahaleovan-tenan’ny vehivavy, indrindra eo amin’ny lafiny ara-bola.

Laisser un commentaire