Fiaraha-miasa amin’ny firenena any ivelany : Misesisesy ireo Masoivoho tonga hiasa eto Madagasikara
Nifanesy tao anatin’ny herianandro izay ireo masoivoho avy amin’ny firenena maro no tonga manatitra ny taraatsy fanendrena azy ireo hiasa sy honina eto Madagasikara. Manambara izany fa mbola maro ireo firenena no te hanampy sy hiara-hiasa amin’ny Madagasikara amin’ny fanatrarana ny tanjona napetrany. Raha avy nanatitra ny taratasy fanendrena azy ny masoivohon’ny Japon dia tonga ihany koa ny masoivohon’ny Canada, Senegal ary Tanzanie. Samy manana ny mampiavaka azy ireo firenena ireo ka samy hitondra ny anjara birikiny avokoa amin’ny asa fampandrosoana.
« Misokatra amin’ny firenena rehetra isika. Misy ilay fomba fiteny iray hoe tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy. Izany indrindra no nahatongavan’ireo Masoivoho ireo, hitondra ny anjarany amin’ny fampandrosoana an’ny Madagasikara ary ihany koa, afaka mahita izay mahasoa azy eto amin’ny Nosy izy ireo, araky ny lalàna kosa anefa no hanatanterahana izany », hoy ny Minisitry ny raharaham-bahiny mpisolo toerana.
« Raha tsy hiteny afatsy Japon fotsiny izao dia hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny resaka fambolena toy ny hatramin’izay. Maro ireo foto-drafitr’asa hatsangana mba hanatsarana ireo masomboly. Eo ihany koa ireo fampitaovana ireo tantsaha maro eto Madagasikara », hoy hatrany ny fanazavana.
Efa ela no nisokafan’ny Madagasikara tamin’ny firenena maro maneran-tany. Misy amin’izy ireny tena hita fa mitondra soa ho an’ny firenena. Ilaina ny fiaraha-miasa fa raah toa ka handetika ny firenena indray dia tokony hajanona.
Miora Raharisolo
