Fandriam-pahalemana: Tafaverina amin’ny tompony ireo omby miisa 24 tao Befandriana atsimo.
Dépêche 31 octobre, 12h, Noho ny asan’ireo mpitandro ny filaminana dia tafaverina tamin’ny tompony ireo omby miisa 24 nangalarin’ny mpangalatra ny faha 26 oktobra lasa teo. Ny fanampim-baovao avy amin’ny olon-tsotra no nahazoana izao vokatra izao ary ireo Miaramila avy ao amin’ny Compagnie d’Infanterie Antanimieva no nahavita izany. Nahita fifandonana teo amin’ireo dahalo sy ireo miaramila ka vaky nandositra noho izany ireto dahalo. Rehefa misy ny tranga tsy fandriam-pahalemana dia ilaina hatrany ny mampandre ny mpitandro filaminana hahafahana mahazo vokatra tsara toy izao.
