Ambatoboeny: Dahalo iray no voasambotry ny miaramila tao amin’ny BOA
05 Janoary, 10h00. Dahalo iray no voasambotry ny miaramila tao amin’ny BOA (Base Opérationnelle Avancée) BEKAPAIKA. Tafaverina ihany koa ny omby nangalarin’ireo mpandroba tao Antsirakaninana, kaominina Anjiajia, distrikan’Ambatoboeny ny alin’ny 31 desambra lasa teo. Efa natolotra ny zandary io dahalo io taorian’ny nahatratrarana azy ary efa naverina amin’ny tompony ny omby.
