Sosialy : Vinavinaina hiverina amin’ny laoniny ny vidi-piainana amin’ny volana jolay
Dépêche 24 mai, 11h, Araka ny fahitan’ny INSTAT azy dia heverina ho mari-toerana ny vidim-piainana ny volana jolay ho avy izao. Izany hoe, mety ahitana fihenana araka izany ireo vidin’entana ilaina amin’ny andavan’andro. Ao anatin’izany dia vinavinaina tsy hihoatra ny 10% ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana eto Madagasikara amin’ity taona ity. Efa manao ny ezaka amin’izany ireo Ministera tompon’andraikitra rehetra.
