Fitaterana : Nihemotra ny fahatongavan’ireo fiara fitateram-bahoaka vaovao
Dépêche 23 décembre, 16h, Raha ny fanambaran’ny Filoham-pirenena hatrany dia ny faran’ity taona ity no hampidirina eto Madagasikara ireo fiara fitateram-bahoaka izay nafarana ahafahana mampiakatra ny lentan’ny fitaterana eto. Nanao fanambarana indray ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika fa nihemotra izany noho ny fahataran’ny valitenin’ireo kaoperativa hisahana ny fampiasana azy. Hahasahana ny renivohitra sy ireo faritra manodidina an’Antananarivo izany tetik’asa izany, ka miandry ny fanapahan-kevitr’ireo mpandraharaha mialohan’ny hanaovana ny kaomandy.
