Taolagnaro: Nisitraka fitaovam-pambolena sy masomboly ary zezika ny tantsaha.
Tantsaha mpamokatra miisa 840 ao amin’ny Kominina 8: Ankaramena, Manambaro, Ifarantsa, Mahatalaky, Ampasy Nahampoana, Soanierana, Ranopiso, Isaka Ivondro, ao anatin’ny Distrikan’i Taolagnaro no nisditraka ziany fanomezana izany. Fanomezana avy amin’ny fitondram-panjakana izany ka nyb Minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana no nantitra izany tany an-toerana. Masomboly, zezika, la herse, la charrue, Sarcleuse, ireo no fanomezna natolotra ireo tantsaha. Izany no natao dia mba hanatratrarana ilay tanjon’ny filoham-pirenena mahakasika ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Samy hisitraka izany avokoa moa ny faritra 23 ka ho avy tsy ho ela ihany koa ny an’ny faritra Amboasary Atsimo sy i Betroka iny.
