Tolotra ara-pahasalamana ao amin’ny faritra Betsiboka
22 Jona, 09h05. Manatanteraka hetsika ho an’ny andro amin’ny fahasalamanan’ny nify sy ny ativava ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka anio 22 jona, izay notontosaina eo amin’ny kianja La Place Maevatanana. Ity hetsika ity dia nampitondraina ny lohahevitra hoe Tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, izay iadidian’ny Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis ho fanatanterahana ny Velirano fahadimy. Natao hanatanterana fitiliana sy fizahàna fahasalamana eo amin’ny lafiny maro samihafa ity tolotra anio ity na ara-batana na ara-tsaina.
