SocialTatitra

Maurice : Nandoa onitra i Naserah Bibi Vavra noho ny fanadiovam-bola

Rs 920 000 (86 000 000 ariary) ny onitra tsy maintsy ho aloan’i Naserah Bibi Vavra na fantatra amin’ny hoe « mpanjakavavin’ny Plainte-Verte » izay meloka tamina fitoriana miisa folo noho ny fanadiovam-bola nataony, tao amin’ny fitantanam-bola, teny anivon’ny « Cour intermédiaire ». Omaly 21 jona no nanatanterahana ny fitsarana azy araka ny Andininy faha-3 (1) (b), 6 ary 8 amin’ny lalàna momba ny fitsikilovana ara-bola sy ny ady amin’ny fanadiovam-bola 2002 (FIAMLA). Tsy maintsy mandoa RS 100 000 isakyny fitarainana mantsy izay miisa 9 raha ny fitarainana iray kosa no nadoavany ny 20 000 noho ny fividianana fiara Mercedes-Benz C200L izay nanaovany fisamboram-bola tany amin’ny ABC Finance and Laesing Ltd raha taratasy hosoka no nanaovany ny taratasy fisamborana.

Laisser un commentaire