Tratran’ny fatiantoka indray ny mpikarakara lanonana.
Anisan’ny nisedra ny mafy tamin’ny fihibohana ny taona 2020 teo ny mpikarakara lanonana. Antony voalohany mahatonga izany ny fandraràna ny fivorivoriana sy ny maro samihafa. Hetsika maro no voatery nofoanana tamin’iny taona iny vokatry ny hamehana ara-pahasalamana teto amin’ny firenena. Vokany, maro ny vola very vokatry ny fanemorana isan-karazany. Misy aza moa ny tsy tanteraka intsony hatramin’izao. Nanamboka ny volana desambra teo anefa, maro ireo mpikarakara lanonana no niezaka nanarina ireo fatiantoka tamin’ny alalan’ny fanatanterahana fety aman-danonana samihafa. Mitohy mandrak’ankehitriny ny fanatanterahana izany. Manambara ny tsy fahafahana mamory olona miohatra ny 200 indray anefa ny tatitry ny filan-kevitrin’ny Minisitra notontosaina ny talata 17 martsa lasa teo. Nambaran’ny mpiandraikitra amina trano fikarakarana lanonana iray fa tsy fialam-boly irery ihany ny fampisehoana karakaraina fa misy ireo izay mivelona amin’izany mihitsy. Mahatratra hatrany amin’ny 50 tapitrisa ariary ny fikarakarana lanonana sy fampisehoana iray. Amin’ny ankapobeny, ny fetin’ny Paska no manokatra ny toeram-pampisehoana eto Madagasikara. Saingy ahiana ny mety tsy hisian’izany indray amin’ity taona ity. Nitovy tanteraka tamin’ny taon-dasa ny toe-draharaha misy amin’izao fotoana. Indrindra eo amin’izay lafiny tsy fahafahana mamory olona miohatra ny 200 izay. Fatiantoka tanteraka no miantraika amin’ireo mpikarakara lanonana manoloana izany.
Fanilo Rarivoarilala
