Sokajiana ho sazy vaovao ho an’ny voafonja ny fitsoahana ny fonja
Sazy vaovao ankoatra izay efa noraisin’ny voafonja iray ny fitsoahana na fandosirana ny fonja. Na eo aza ny fiambenana mafy eny anivon’ireny toerana ireny, mbola handrenesam-peo hatrany ny mahakasika ny fitsoahana na fandosirana ny fonja. Misy mihitsy aza ny tambazotra miforona vaovao mikonokonona ny fandosirana eny amin’ireny toerana ireny. Mampametram-panontaniana anefa ny hoe : misy olona miara-miasa amin’izy ireny ve sa mahavita mamoaka ny tenany samirery izy ? Misy amin’ny voafonja no tsy hita popoka mandritran’ny fotoana maro rehefa avy mandositra ny fonja. Ny lalàna malagasy ihany koa anefa no mamaritra fa mpiray tsikombakomba ny manafina na mampiantrano azy ireny. Tranga fahita matetika ihany koa ny hoe tsy hita izy, ary rehefa manao asa mitovy amin’ny niampangana azy indray izy vao tratra. Izany hoe miverina amin’ny asany teo aloha ihany ny ankamaroan’izy ireo. Anisan’izany ity lehilahy iray nandositra ny fonjaben’Antanimora efa ho roa volana izay. Maty voatifitra ny zandary tao Anjozorobe izy rehefa nokarohina nandritry ny fotoana maro. Voasazy 12 taona higadra an-tranomaizina moa io lehilahy nandositra io. Vesatra hiampagana azy ny fanolanana zaza tsy ampy taona sy ny fanafihana mitam-piadiana. Teo am-pikonokonana ny asa ratsiny manaraka indray izy izao lavo voatifitra izao. Tokony hatao laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly eny amin’ireny toerana famitana sazy ireny hisorohana ny trangan-javatra tahaka izao. Hinoana marimarina mantsy fa misy ny mpiray tsikombakomba amin’ny famoahana voafonja mamita sazy tahaka izao.
Fanilo Rarivoarilala
