Ambohimanambola: Nisy ny fandraisana ara-teknika ireo tsena 3P
Tonga nijery ny foto-drafitr’asa vaovao, ao anatin’ny fanarenena ny tsena ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, ireo teknisianina avy amin’ny kaominina, niaraka tamin’ny ben’ny tanàna ao an-toerana, tamin’ny alatsinainy teo.
« Ampiroborobo ny tsena ao ambany, izany hoe ny tsenan’ny tsantsaha ny fisian’ireo tsena vaovao ireo. Tsy hivezivezy na hitady lavitra intsony ireo mpividy sy mpiantsena fa ho hita ety an-toerana avokoa izay ilaina rehetra. Hisy moa ny fanatsarana eo amin’ny fahadiovana na ho an’ny tsena ambany na ireo vaovao » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
« Mitondra endrika vaovao ho an’ny tanàna ny fisian’ireo tsena vaovao. Hisaorana ny tomponandraikitra amin’ny ezaka sy ny fandaminana satria anisan’ny manova tokoa. Ny angatahana mba hametrahana lamina ho an’ny tsena satria mbola maro ireo tsy manara-dalàna ka mety hamono antoka ny hafa » hoy i Narindra, mpivarotra.
Nandritra ity fotoana nahatongavan’ny ben’ny tanàna ity teny an-toerana moa dia notontosaina tamin’izany ihany koa ny fanaovan-tsonia mahakasika ny fifanarahana eo amin’ireo tompon’ny tsena sy ny kaominina.
