Chine : Miantso an’i Israely hanatsahatra ny fanafihana ao Rafah
Manoloana ny ady eo amin’ny Israely sy Hamas, dia nanao antso avo ho an’ny tafika israelianina ny fanjakana Sinoa, hampitsahatra faran’izay haigana ny fanafihana an-miaramila izay ataon’i Israel amin’i Hamas. Anisan’ny lasibatra ary nahafatesana olona am-polony, ny alatsinainy teo, ny tao Rafah, izay tanàna farany honenan’ireo mpitsoa-ponenana an-tapitrisa amin’izao fotoana. Manaraka akaiky ny fizotran’ity ady ity ny firenena ao Chine. Manoloana ny zava-misy tamin’ny alatsinainy hatrany, dia manohitra ary manameloka tanteraka ny hetsika, indrindra ny herisetra manoloana ny fanitsakitsahana ny maha olombelona sy ny lalàna iraisam-pirenena, ity firenena ity. Manao antso avo amin’ny Israel izy araka izany, ny hanatsaharana ny ady sy ny fanafihana hisorohana ny mety hisian’ny ra mandriaka indray sy ny fahafatesan’ireo olona tsy manan-tsiny, indrindra fa ny ao amin’ity faritr’i Rafah ity.
