Japon : Notanterahina ny talata 26 oktobra ihany ny fanambadian’ny zanaka vavin’ny mpanjaka
Naroso ny talata faha 2 oktobra ihany fanambadian’i Mako, zanaka vavin’ny mpanjaka, sy i Kei komuro. Izy ireo izay efa vita vodiondry septambra 2017 saingy noraran’ny ray aman-drenin’ny tovovavy tsy hiroso tamin’ny fanambadiana noho ny fiavian’ny tovolahy izay mpisolo vava ao New York. Ny antony faharoa amin’izany ihany koa dia ny fahafantaran’izy ireo fa ny ray aman-drenin’ny zatovolahy dia mbola tsy nahaloa trosa mitentina 30 000 euros (132 000 000 ar) izay nentina namantsiana ny fianaran-janany.Vombara moa fa noho ny tsy fahazakana io tsindry io dia lasa nanao « stress post-traumatique » i Mako izay zanaka vavin’ny mpanjaka. Ka noho io antony io dia noeken’izy ireo tsy fidiny ilay fanambadiana na dia nolazainy fa tsy dia tena ankasitrahany loatra ary.
