Inde : Ankalazaina androany ny Gangasagar Mela
Fomba amam-panao ara-pivavahana ao Inde ny Gangasagar Mela. Olona mpino an-tapitrisany maro, « hindous » sy « sadhous » hanao fivahinianana masina no mankalaza azy. Mirakotra lavenona ireo « sadhous » ireo ary manao rasta na « dreadlocks ». Miara mirona ao anaty rano manao fombafomba ao anaty renirano masina na « bains rituels dans le fleuve sacré » kosa ireo rehetra ireo.Hotontosaina androany 14 janoary ao amin’ny nosy Sagar kosa ny Gangasagar Mela 2022. Efa niandry tao an-toerana ny alakamisy teo ireo « hindous » na dia eo aza ny sakana ara-pahasalamana. Anisany hampiparitaka nyaretina kosa io fomba io hoy ny ministry ny Bengale andrefana, Mamata Banerjee. Olona an-tapitrisany no hifampikasoka ary hiditra anaty rano mandeha.
