Synodam-paritany Menabe:
14 Janoary, 09h45. Nodimandry ny Pastora Velomahatombo Filoha lefitry ny Fiangonana Loterana Malagasy sady filohan’ny synodam-paritan’i Menabe ny Pastora Velomahatombo. Nodimandry teo amin’ny faha 61 taonany ny marain’ny 13 janoary teo minitra vitsy taorian’ny nitarihany ny fivorian’ny synoda teny Mahabo izy. Ny taona 2006 izy vofidy ho filohan’ny synodam- paritany Menabe ary ny taona 2020 kosa no voafidy ho filoha lefitra nasionalin’ny fiangonana FLM. Namela mananontena sy kamboty efatra mianadahy ny tenany.
