Angaredona Mozika Festival : efa amin’ny andiany faha 17 sahady
Dépêche 16 septembre, 14h, Toy ny isan-taona, mikarakara ny hetsika Angaredona Mozika festival indray i Rajery sy ny Fikambanana Takalo Tsara. Natao tany Toamasina ity hetsika ity ny taona lasa teo ary eto Analamanga indray izy amin’ity taona 2022 ity ary hanomboka ny 19 septambra izao etsy Ambohimanga Rova. Ny tanjona amin’izany moa dia ny hanomezan-danja ireo harena ara-kolontsaina sy ara-java-kanto Malagasy rehetra.
