Canada : Hetsika iray goavana ao an-toerana ny » Juste pour rire »
Niforona tamin’ny taona 1983 ny hetsika « Juste pour rire ». Hetsika natokana ho an’ny hatsikana izy io izay tontosaina isan-taona ao Montréal ao Québec. Ny taona 1985 kosa vao ny niforona ny hetsika anglisy tamin’izany natao hoe « Just for Laughs » (JFL).
Hetsika lehibe indrindra ho an’ny hatsikana io « Juste pour rire » io. Mpanao hatsikana avy amin’ny firenena maro no voaasa amin’izany. Misy ny fampisehoana hatsikana, ny teatra an-dalambe sy matso, fandefasana sarimihetsika hatsikana sy fandaharana amin’ny fahitalavitra ary fitetezam-paritra mandritra izany.
