Antanambao RN3 : Olona telo namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana
Fiara nitondra mpanakanto sy ny namana mpiara-miasa aminy no niharan-doza tao Antanambao lalam-pirenena faha telo ny alina hifoha marainan’ny 15 septambra teo. Namoy ny ainy teo no eo ny olona telo tao anatin’ity fiara ity, izay voalaza fa ny « manager », ny « assistant » ary ny « choriste » an’io mpanakanto io, mbola arahi-maso kosa ny momba ilay mpanakanto noho izy mbola nosokirina tao anaty fiara, araka ny voalaza.
« Ny fandehanana mafy amin’ny lalam-pirenena no tena mampisy ny loza mahatsiravina hamonoana ain’olona. Tsy tokony ifampisongina indrindra raha tery ny lalana na misy ireny fiara vaventy ireny mba hialana amin’ny loza tahaka izao » hoy ny mpitandro filaminana.
« Tokony ho mailo hatrany ary mahafehy ny familiana vao mitondra fiara fa izany no tena mahatonga ny loza, ny aina tsy hananam-piry, izay tonga soa ihany no arahabaina hoy isika malagasy » hoy i Eric, mpamily zotra nationaly.
Ny fanajana ny hafainganam-pandeha ihany no hahafahana misoroka ny loza tahaka izao. Tokony ho mailo mandrakariva ihany koa ireo mpamily sy ny mpampiasa lalana rehetra. Ny loza tokoa tsy mampilaza ary lahy tokana ny aina ka tokony ho tandrovana hatrany.
Manitra Ramanantsoa
