Tononkalo : Ny fikirizana
Mba mafy asaina ny tanimbary
Kanefa mikiry ny mpiasa tany.
Ny tanany miepaka, maharary…
Ikirizany anefa ka vita ihany!
Mba sarotra lahy ‘ty enti-mody,
Ny saina domelina, ny andro lany,
Kanefa ny mpianatra te-ho tody,
Rehefa mikiry dia hainy ihany.
Mahery ny rivotra an-tendrombohitra,
Ny lalana sarotra aoka izany,
Kanefa ny mpihanika mahatohitra
Rehefa mikiry dia tody ihany!
Na inona vato misakan-dalana,
Na inona entana mahavizana,
Zakako, afako miandalana
Rehefa tafiko ny Fikirizana!
Ny Rahona Ratsimba Georges
