ActualitésTsidika

James Clear : Ny fanatrarana tanjona amin’ny « Atomic Habits »

Ny olona rehetra dia manana tanjona, manana nofy, manana tetika ahafahana manova zavatra. Kanefa tsy ny olona rehetra no mahatratra ny tanjonany. Ity boky ity dia mamelabelatra ny atao hoe fahazarana izay miteraka lalam-piainana. Maro no olona no mikaroka ny angovo manosika na ny “motivation” mba ahafahana manao zavatra. Mitady antony hifohazana maraina, mitady antony lehibe mba ahafahana mivoatra. Mahita angovo ihany moa.

Ny olana anefa dia ity “motivation” ity dia tsy mipetraka ao aminao mandrakizay, ary raha te hanatratra tanjona iray ianao dia mila mandrara sy mibaiko ny vatanao na tsy te hanao aza. Ny “atomic Habits” moa dia manambara fa ny asa kely vita anio no mitondra ny fiovana lehibe rahampitso.

Laisser un commentaire